Ho an'ny Atsimo (Alala)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lavitra anao aho kanefa
Tsapako anatin'ilay rivotra
mavesabesatra iainako
ilay fofon'ainao malaina,
Tsy te hisaraka amin'ilay vatana,
Tsy manaiky raha tsy hanohy
ilay làlana, làlam-piainana,
Vakivaky sy mandoro faladia.

Mihondrika ny tenako manoloana
Ny herim-po sy herin-tsaina entinao
Misedra ny lahatr'ity tontolo ô.
"Iray aina isika, iray vatsy." :
Ireo fahorianao mety ho fahoriako koa atsy ho atsy.
Tsy iray nofo fa iray fiafara.
Iray làlana, làlam-piainana.

Misy bitsika tsy miato, miantsoantso
Fanahy mahery mpanasoa.
Fahasoavana tsy misy fitsaharana.
Oram-pitia mifafy
Mamelona ny tany.

Sombim-bavaka alefako any aminao ny feoko.
Te hanakaiky sy te hiahy.
Samy olona manan'aina masina.
"Iray aina isika, iray vatsy." :
Ireo fifalianao, fahasambarako koa any anaty.
Samy manana nofy adala.
Iray làlana, làlam-piainana.

Misy bitsika tsy miato miantsoantso
Fanahy mahery mpanasoa.
Fahasoavana tsy misy fitsaharana.
Oram-pitia mifafy
Manondraka ny tany,
Ka ho ala maitso màvana no hiafarany.

Mmm
Mmm
Mmmm Mmm

Mitsoka mianatsimo
Ilay hiran'ny fanantenana.
Hery iombonan'ireo mpino
Fa misy ny anjara
Mitondra mankany amin'ny tsara.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Alala
Visites : 28
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Domoina991
Date : 05/12/2025 17:11
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0685