Vero (Alala)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(2 X)
Toa rahona mainty, nanako-masoandro ahy raha ny andro tsara, ianao ... Verô
Tandrifin-drahona ny orana, ny tafoko tôle vaky mitete, ianao ... Verô

Ilay volonao nikopaka
Toa onja nandrava ilay lakana nitatitra ahy
Ny hoho-tananao maranitra
Nandrovitra arato sisa ananako izay

(2 X)
Toa rivo-mahery am-pararano, nanimba ny tany famboleko, ianao ... Verô
Andiam-balala, nandrigatra ny tanin'ny katsaka fihinako andavanandro, ianao ... Verô

Ilay masonao nirehitra
Toa dorotanety nandoto ilay rivotra mamelona aina
Kakakakanao nirefotra
Nampintsanga-mandry ireo mponin'Ambohimitsilay (?)

[FEON-GITARA SOLO]

(2 X)
Toa sedra, sendra naneho mazava an'ireo fahalemeko takona, ianao ... Verô
Zava-kanto, namelona indray ireo fietsehampoko niafina tao ambadika tao, ianao ... Verô

Mpivahiny avy lavitra
Nanova ireo kolotsaiko sy fombako fahizay
Anio ianao toa soratra
Nanova ilay boky tantara mirakitra ahy

ouh ouh ouh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Alala
Vangy : 2338
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ralfaxl
Daty : 02/07/2022 09:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723