Iangonan-tsoa (Akon'i Betela)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Omeo indra-fo mba iangonan-tsoaTy fiainako Tompo Ray Tsitoha
Ray ô avelao ny ota izay natao
Ity zanakao fa nanao ny sitrakao
Refrain
Iangonan-tsoa sy lavorary (rary)
Ny fiainako ry Ray Mpahary (hary)
Raha voadio ity mpanompo (nompo)
Ray ô tahio tafio ny indrafo (indrafo)
Manenina re ô mba maneke ny fifonako
Zoky Tompoko
Aza faizinao Tompo fa sasao
Amin'ilay Rà sarobidy avy aminao
Refrain x2
Feon-kira
Ray ô mitalaho ny ao am-poko ao
Miandrandra Anao ity zanakao
Tafio hery dia miarova re
Mba hiorina aho sy hanan-kery mihavao
Refrain x2
A/C: Joséa RABEARIVELO
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Akon'i BetelaHits : 169
Likes : 0 Like
Created by : sarobidy
Date : 26/03/2026 09:15
