Fa vetivety monja (AKON'I BETELA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Araho maso anie iny rahona iny eIzay tazanao eny ambony eny e
Matetik'izy ireo manao andiany
Miova sy miara-dia irony
Kanefa indrisy ireo fa tsy mateza
Ny fetran'ny tananan'izy ireo
Fa vetivety monja dia miova
Sy levona tsy ho hita izy teo
Raha sendra ianao misasak'alina iny e
No mba mijery ty hita eny ambony
Matetik'izy ireo manao andiany
Miova tsy mifankatia irony
Kanefa indrisy ireo fa tsy mateza
No fe-potoana ahitana azy ireo
Fa ora vitsy monja moa raha ela
Ho takona tsy ho hita izy teo
Tsinjovy izao ny rahona jerena
Izay rehetra misy eto an-tany
Na fikasana ihany na harena
Miserana tokoa sy mora lany
Indrisy anefa fa mandalo saino ihany
F'irony izay rehetra irin'ny fo
Kanefa re raha tapitra ny aina
Dia afoy ireo fa zava-mety ho lo
Hevero ihany re izay hiafarana
Tsy mety ny hanjeny andro lava
Safidy izao anie ka tsy ho tana
Fa vetivety dia ho lo sy rava
Ny olona kosa raha handao ny tany
Dia manam-petra sy ho lo
Raha toa ianao miandany amin' izany
Dia manantona ilay Mpamonjy soa
A/C: RADOFA EMILE
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AKON'I BETELAVangy : 15
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sarobidy
Daty : 23/03/2026 08:49
