Paska fandresena (AFAA ( Antsivan'ny famonjena Toby Neny Olga Ambolonkandrina ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nitsangana Jesosy ka resy ny fasana
Tsy nahatazona Azy ihany koa ilay fahafatesana
Niseho ny voninahitr'ilay Andriamanitra Tomponay
Ireo izay nandefona Azy tsy hita nandositra niolomay
Tao ireo mpianatra izay nahita ny mpianatra efa nivoha
Nandeha nampandre ny namany fa tsy hitany tao ny Tompo Jesoa
Nisy ihany koa tsy nino fa niandry porofo mila mahita
Toa an'ingahy Tomasy izay niteny hoe asehoy anay dia vita
Gaga sy very hevitra ireo mpianatra sady nangaihay
Talanjona nahatsiaro indray ilay teniny telo andro lasa izay
Fa ny zanak'olona tsy maintsy hijaly hofantsihana sy hovonoina
Kanefa nitsangana Izy nolazainy rehefa afaka hateloana
Hosana Haleloia
  (Eh..nitsangana ny Tompo
   Tsy nahazona Azy ny fasana
   Aza isan'ny tsy mino toy ny sasany
   Ndeha jereo fa foana teo ny tao am-pasany
   Efa mialoha anao any Galilia Jesosy Tompoko Tia ) x2

   (Tena nitsangana Jesosy Tompontsika
    Foana ny fasana,ny mpianatra koa nahita
    Tonga hizara indray fiadanana ho amintsika mifalia..).x2

Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo rehetra izao
NomeNy ny zanaNy lahitokana mba tsy ho very izay mino Azy
Voavidin'ny ràNy izay nalatsaNy tsarovy ilay tao kalvary
Ho fampihavanana ny olona sy amin'Andrimanitra.

Hôsana Haleloia (bass..)
  Fa tsara ny mihira hoan'Andriamanitra
  Mamy sady mendrika ny Fiderana Azy
  Redony  izany feo(bass)
  Redony izany feo hanakoako re
  Fa ny fitiavany dia lehibe

  (Nasandratra any ambony; Ilay zanaky ny Ray
   Namboatra ilay fonenantsika ; ao an-danitra rahatrizay
   Ny mino eto kosa; miasa sy manompo
   Mandrampihavin'i Jesosy Tompo) x 2
Mandrampihavin'i Jesosy Tompo
Mandrampihavin'i Jesosy Tompo
Mandrampihavin'i Jesosy…Jesosy Tompo
**Paska fandresena Antsivan'ny famonjena Toby Neny Olga Ambolokandrina**
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFAA ( Antsivan'ny famonjena Toby Neny Olga Ambolonkandrina )
Vangy : 166
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mharck
Daty : 10/04/2026 17:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0912