Izay maharesy (AFAA ( Antsivan'ny famonjena Toby Neny Olga Ambolonkandrina ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Misy feo miantso anao mandona izany fo
   Feo malefaka mambabo teny mamy koa
   Izao angaha no feon'ilay Jesosy Tompo tia re
   Izy tsy sasatra miantso anao hoe:
   Mitandrema miambena mivavaha izao
   Fa efa akaiky re ny fanjakan'ny Lanitra
   Miadia ny ady tsara amin'ny andro sy fotoana
   Indro Jesosy anie ka momba anao foana.

Ref: Izay maharesy no ataoko andry eo amin'ny Tempolin' Andriamanitro mandrakizay
       Ary tsy hiala eo intsony izy fa ho mpidera  hiankohoka amin'ilay Ray
       Miomana miambena fa efa hoavy Jesosy
       Eny amin'ny rahon'ny lanitra.

2  Rehefa maneno ny Trompetra ao an-danitra
    Dia tsy misy azo atao fa izay no farany
    Ry tanora sao variana sy manarana
    Amin'izay fiainana mandalo eto izao
    Itodiho ny lasa rehetra vita hatrizay
    Moa misy fiainana tsy hisedra olana
    Fa izay mandray an'i Jesosy ho Tompo sy Andriamanitra
    Dia hahita fitsaharana

Ref : ....x2

Antsifan'ny famonjena Toby Neny Olga Ambolonkandrina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFAA ( Antsivan'ny famonjena Toby Neny Olga Ambolonkandrina )
Vangy : 9
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mharck
Daty : 10/04/2026 12:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0314