You are here: home > Tononkira > ZO OMEGA

MASOANDRON'NY FIAINAKO (ZO OMEGA)

'Lay fitiavana izay tsy manam-paharoa
Foin'ireo nahitako masoandro
'Lay fitia tsy atakalo na sandaina fa
Nomena ahy tsotr'izao mba ho ahy

Niankin-drindrina irery tsy sasatra
Fola-damosina raha nibaby
Niaritra ireo mafy sy tsy tiana koa
Mba ho ahy, hahazoako ny soa

Rariny raha toa ka lazaiko anio
Ilay fitiavana lehibe, madio
Ary asandTsiky dia ampyratro avo mba ho rehareha:
"Tsy toy izao ny tenako raha tsy izy ireo:
MASOANDRON'NY FIAINAKO"

Fa ny tena tsaroako ireo taloha
Rehefa mba mitomany aho dia indro izy
Tonga manambitamby sy mitrotro ahy
Eo an-tratrany feno fitia

Rehefa sendra marary koa indraindray
D'efa sahirana ery mitsabo
Sy mikarakara mba ho sitrana
Ity sombiniainy

A/C: ZO OMEGA
ARRGT: VEVE

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ZO OMEGA
Mpamaky : 1380
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zoomega
Tamin'ny : 02/07/2013 10:09:58
ID : 6342

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo