Loharanom-pifaliana (Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Loharanom-pifaliana e! (Eh! tsara)
Jesoa ihany no niaviany (Jesoa tsara)

Fifaliana a! (Fifaliana ho anao)
Loharanom-pifaliana e!! iah! (Tsara!)
....
Eeeh! ambarao e!
(Ambarambarao ny filazantsara e! eh! ieh!
Hanova ny fomba izay tsy mety)
Ôh! ry tanora an!
(Ôh! ry tanora handeha hisaina
Fa, io no maharava ny tanety.)

(Ambarambarao ny filazantsara e! eh! ieh!
Hanova ny fomba izay tsy mety
Ôh! ry tanora handeha hisaina
Fa, io no maharava ny tanety.)

Ny doka!
(Ny doka miampy ny fanompan-tsampy ih!
Toa tsy manampy)
Toa tsy manampy!
(Mafy ny fiainana toa mahalasa adala!
Mahate hiala)
Ndeha isika hiala!
*(Hiala an-kaiza, hatraiza oah no lalana ombàna, fa efa tsy tamana.) X2
....
Manina ny ao an-kianjanao ny fanahiko,
Mahatsiaro ny any ka velo-tsento ny ao am-po
Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao
Hidera Anao mandrakariva, hidera Anao.

Fa ny miserana indray andro an-kianjanao
Dia tsara lavitra noho ny an'arivony
Fantatrao tsara f'izany indrindra no antony,
Mahatonga ahy mangetaheta ny ho ao.

(Anilany any aho!)
Mahatsiaro ireo niaraha-nidera
Fideran'tsesilany sy hoby, ka midera a!
(Anilany any aho!) Ôh! ôh!!
Miara-midera, miara-mandihy
Miara-manandratra ny voninahitr'i Kristy! ih! iih!
(Anilany any aho!)
(Miaraka amin'ireo mino Anao
Izay fa nodiovinao, tonga olom-baovao.)
....
(Mitadiava, mitadiava ny Ray
Dieny mbola hita izy)
Miantsoa azy!
(Miantsoa azy, miantsoa azy indray
Dieny mbola akaiky izy)
Tsy hiady irery!
(Tsy hiady irery, tsy hiady irery ianao,
Raha miaraka aminy) Ôh! ôh! ôôh!
(Mifankazara amin'ny Tompo ianao, Fa hiadana!)
....
Asandrato!
(Manandrata feo sy hira vaovao
Venteso ireo, mpandresy ianao
Manandrata feo sy antema vaovao
Fa Jesoa no efa nialoha anao.)

Tsaroako eto izao, ny mandan'ny Jerikô
Na mafy aza dia, ny hiaka sy feo
No nandrodana azy teo.

(Tsaroako Kalvary, namonoana an'i Kristy
Kanefa nitsangana ho doria
Hampandresy an-tsika ety.)
Oeh! oeh! oeh!
....
Nefa tsy mba natao fianihanana
Na antsoina fahatany ny anarany
(Fa masina a!, fa masina a! ah! aah!!
Fa masina a! Jehovah Ray!!

Oôôh ôh!
Hosana ho anao ...
Ry Mpanjakako ...
Fa tsy hanam-pitahaina ry Tompo
Izany fahalebiazan'ny herinao.

Deraina Ianao ...
Ry Mpanjakako ...
Fahefan-dehibe tokoa ny herinao
*Dia hiseho ny voninahitrao.(X3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vonjy
Vangy : 997
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 25/09/2021 23:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0962