You are here: home > Tononkira > Voahangy

Santa Maria (Voahangy)

https://tononkira.serasera.org/hira/voahangy/santa-maria

Aza avelanao irery aho fa toa kamboty
aza avelanao irery hitalaho fa sao manary toky
ny andro sisa iainanay anie mba ho mamy eo akaikinao
aza avelanao irery izahay fa zanakao

Aza avelanao hanimba anay irony ankaso
aza avelanao irery hitalaho fa mba topazo maso
ny fiaraovanao mahery no mba atosaho ho any raha sitrakao
Aza avelanao irery izahay fa zanTsiky dia ampyakao

Santa Maria, ahinjiro ny tananao
Santa Maria, ny lalanay mba hazavao
Santa Maria, raha mila ho kivy fo mba tahio
Santa Maria, ny lalanay mba ahitsio

Aza avelanao handresy anay ireo fahavalo
Aza avelanao irery hiady amin’ ny loza maro
nofo aman-dra izahay anie ka malemy efa fantatrao
Aza avelanao irery fa zanakao.

(Hisaorana ireo namana namaly tao amin’ny forum)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Voahangy
Mpamaky : 2673
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : pissoa
Tamin'ny : 24/09/2006 17:52:55
ID : 3909

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo