You are here: home > Tononkira > Voahangy

MBOLA HIHAONA (Voahangy)

https://tononkira.serasera.org/hira/voahangy/mbola-hihaona

Hihaona aminao aho
rehefa hifarana ny ety
Ary ianao ilay efa nandao,
no hitsena ahy ary
Hihaona aminao aho,
fandalovana ny ety
Ary ho fiainam baovao
no antenaiko miandry ary

Mbola hihaona aminao aho
Eo ambavahadin’ny lanitra
Mbola hihaona aminao aho
Rehefa tonga ny maraina vaovao

Fa ho mafy ny finoako,
Mbola hihaona izaho sy iantononkira.serasera.orgao
Raha hitantana ahy ny Tompo,
Hihaona isika an-danitra ao

Mbola hihaona aminao aho
Eo ambavahadin’ny lanitra
Mbola hihaona aminao aho
Rehefa tonga ny maraina vaovao

Mbola hihaona aminao aho
Eo ambavahadin’ny lanitra
Mbola hihaona aminao aho
Rehefa tonga ny maraina vaovao

Rehefa tonga ny maraina vaovao...

Feo : Jesosy Mamonjy
Tonony sy mihira : Voahangy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Voahangy
Mpamaky : 5706
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalaholy
Tamin'ny : 24/04/2007 09:04:38
ID : 4386

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo