Fetinao (Voahangy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nikolokolo isika, nanabe, nikarakara
Ireo zanantsika soa fa mba tafita soamantsara.
Tsy nitsitsiana hery, namafazana harena,
Tiana mantsy fa mba menaky ny aina.

Mila tsy hahatsiaro isika fa mpifankatia,
Fa toa ny olon-droa, voatery hiaraka satria,
Mpivady ka ny sisa hery, manankamban-tsaina,
Ka dia miasa mafy tsy mitandro aina.

Mba fetinao, mba fetinao androany,
Hatramin’izay nodian-tsy hita izany,
Raha mety ianao, haveriko eto indray,
Ny TOKY izay nomeko taona maro izay.
Fa fetinao, mba fetinao androany,
Mba fifaliana ka aza mitomany,
Raha mety ianao, andeha isika roa
Hifampitantana indray toa ny taloha,
Iray fo.

Raha mety ianao, andeha isika ho eny amoron-drano,
Hivetsoako tononkalo ianao, hitantarako angano,
Izay sakafo kely mba efa vitako maraina
No hovimbiniko ao ho antsika sombinaina.

Tsy afaka ato an-tsaiko, ilay asabotsy iray,
Takariva mamy taona maro lasa izay:
Voaly fotsy, raozy mavokely, teny iray,
No nampikambana antsika ho iray.

Toa vao omaly ireny raha tsy ny maso no mahita
Ilay volonao izay fotsy, nanabe ny akanintsika,
Ny fahanterana no nampikentrona ny nofo
Fa ny fitiavako anao tsy miofo.


Mba fetinao.......
--------
Rohy:
Hevitra
zemjos ( 07/12/2014 15:40)
Mba mitady ny video an'io hira io zay manana é na audio ary fa mahafinaritra
ANARIM ( 13/04/2016 12:47)
https://www.youtube.com/watch?v=45UgvLHFQIQ&ebc=ANyPxKqYQiVc-S5pEpTpUFYlAzAeZO7tA7NtU2jErggxGVMoRiTsWA10QPrLFjV3V3tOet6MOf9N0lwmZrOpK0Q7rVLmOOjFrA
ANARIM ( 13/04/2016 12:48)
tadiavo ao @ Youtube : Ny tokantrano - Voahangy
galene ( 19/03/2018 11:19)
mitady ny video an'ilay hiran'ny voahangy fetinao izay mba manana e, mahafinaritra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Voahangy
Vangy : 6560
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 25/10/2005 18:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735