Mankasitraka Tompo o (VHF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eh, mankasitraka Tompo o, amin’ny làlana hitondranao zaho

Izaho mankasitraka e, izaho mankasitraka
Mankasitraka, Tompo o, amin’ny làlana izay itondranao zaho

Na hianavaratra, hiankandrefana na hiatsinanana
Na hianatsimo, hidi-pidinana, hiaka-piakarana
Na tany efitra, tany lonaka na tany ngazana
Na oram-baratra, haizin-kitroka, tsisy hahasakana ahy

Fa ny masaka ato an-tsaiko, Tompo o, ny hahatongavako any Aminao
Ny ahy faniriako, eny hatrizay, hitoetra eo akaikiNao
Izaho mankasitraka, Tompo o, izay rehetra dia avy Aminao
Ny Famindramponao isan’andro, lehibe ny fitiavanao

Izaho tsy nandeha irery fa novimbinin’ny Tànanao
Izaho tsy mba mety ho very, teo anilako foana Ianao
Ny làlana anefa tery, ampy ahy ny finoako Anao
Vao mainka aho nahazo hery itoeran’ny Fanahinao

Ho anao izay mbola ivelan’ny vala : modia amin’izay, rahalahy !
Dia ny heloka vita no ndeha hibabohana, Andriamanitra no hitahy
Fa ny laza sy harena tsy hanaraka anao, hahatongavana any amin’ny Ray
Ny fanahy izay mendrika no hitoetra, hitoetra mandrakizay
Eo anilanao re ry Ray

Izaho mankasitraka e, izaho mankasitraka
Mankasitraka, Tompo o, amin’ny làlana izay itondranao zaho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VHF
Vangy : 2905
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/06/2019 18:24
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115