vavaka (VHF)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba hambarao mazava aminay ry Rayfa mbola misy zavatra tsy takatray
ny tsy hamalianao ireo vavakay
hatramin'izao ka hatramin'izay
fa mbola feno fahotana ve izahay
ka mbola tsy voavelanao ny helokay
na dia maintso Anao isan'andro aza izahay
dia ny omaly tsy miova ny fiainanay
tsy ho kivy anie aho miantso Anao Ray malala ô!
miantso Anao foana ity zanaka adala
efa ela anie aho no mba te hiala
amin'ny fiananay toa kidaladala
raha sitrakao ry Tompo omeo ahy ny hery
hiatrehako ny ampitso ho ahy mistery
tariho làlana aho mba tsy ho very
fa malemy sy osa feno fery
.... .... .... ....
mba iza moa ry Ray no hitarainako
hafa tsy Ianao izay nanao ny fianako
raha mitady hamolaka ahy ny zava-manjo
Ianao ihany no Andry hiankinako
hialako tsiny re ry Tompo Aminao
na dia efa kivy tsy te hihaino ahy aza Ianao
indro aho ry Tompo raiso fa adidinao
efa trotraka, miangavy, mitalaho
nangoniko ny heriko tato anaty
hanazava ny finoako mba tsy ho faty
efa hatry ny ela anie aho no efa nino
fa ny Raiko ambony tsy manadino
hifonako ny ditra sy ny adalana
tsy hataoko intsony ny handika lalàna
indro ny tenako atolotro ho Anao
inty aho Ry Tompo ho hirakao
hirakao
.... .... .... .... .... .... .... ....
nangoniko ny heriko tato anaty
hanazava ny finoako mba tsy ho faty
efa hatry ny ela anie aho no efa nino
fa ny Raiko ambony tsy manadino
hifonako ny ditra sy ny adalana
tsy ataoko intsony ny handika lalàna
indro ny tenako atolotro ho Anao
inty aho Ry Tompo ho hirakao
....
hirakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : VHFVangy : 348
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : fetramaharosoa
Daty : 12/09/2025 09:36
