You are here: home > Tononkira > VHF

MIANTSO ANAO RAY (VHF)

https://tononkira.serasera.org/hira/vhf/miantso-anao-ray

MIANTSO ANAO RAY O
E miantso anao izaho Ray ô
Mbola betsaka ny ota izay vita
Mbola betsaka tsy azo odiana tsy hita
Fa ianao e no tompon’ny hery
Fa ianao e mitaona iry very
Nampijaly e ireo izay mijaly e
Hatramin’ny omaly e (2)

’Zay manao ny marina dia tsy maintsy ho tafarina
’Zay manaoTsiky dia ampy hadalana kilalaon’I Satana
- Ka mahaiza mijery izay tena izy
Fa sao dia solafaka amin’ny lalana tsy izy- (2)

E miantso anao izahay Ray o
Mba omeo anay izay hanina sahaza
F’efa ela izahay no sakafo diso vava
Koa miangavy e sy mitalaho aminao
Mba fahano e ireto ondry kelinao
Fa mosary sy mijaly ka sao dia marary (2)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : VHF
Mpamaky : 4562
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : cmbolatiana
Tamin'ny : 16/02/2007 07:17:11
ID : 4209

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo