Ongaina (Vahombey)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eh, raha miainga ny embona mila hanafotra fo, ô ry tony a !
Ka ny maso no ditsoka manganohano mandroroa njolanjola
Misavorovoro malaina hilanto ny ati-mpanahy
Ongaina malaina tsy mahatelin-komana k’indro midongy a
Nahoana re no dia mandoatra ambiroa, ô ry masoandro mody a!
Manina any aho te hody antanana ngolingoly ny foko a
Manin-te hody aho e, manina a (...)

..........
2015 :

Dia akory ry hava-tiako, ry malalako tsy foiko, no ho ataoko akia ?!
Nony hanorim-paka ny fitiavako, hiangola, hiantsampy… Dify, lasa ‘ndry !
Ny fikasako niankarapoka, niforetaka amin’ny tany.
Iny aho no may, mangahiahy…!
Tsy mety mino hoe tsy eo ianao, tsy fangalam-piery intsony
F’izay ‘zany dia izay !!!

Vao midridroka ilay varavarana ao ambany rihana,
Mitsamboatra aho dia taitra !?
Manonofy, miandry ny figadon’ny famindranao…
Kay olon-kafa indray ?... Manaitaitra !!!
Babangoana ny efitrano, manta mohaka ny vary,
Savolaina aho, toa tsy avy hiaina…
Mihodinkodina ampitoerana, mangidy hatramin’ny rora,
Te-hikiaka aho: Ongaina ê !!!

Dia mangina aho sy mangaina fa ongaina ê !
Dia mangina aho sy mangaina fa ongaina ê !!
Dia mangina aho sy mangaina fa ongaina ê !!!
Dia mangina aho sy mangaina fa ongaina ê.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vahombey
Vangy : 3224
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : gasikeli
Daty : 30/10/2008 17:05
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119