Aok'izay ! (Vahombey)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Chapô :
« Regard hagard, traits tirés, mine défaite, … Squelettique silhouette.
Abandonné par sa dame, exproprié sans état d’âme, à la merci des créanciers.
Paria de la société, misérable père démissionnaire infréquentable, insolvable.
Quelqu’un d’instruit pourtant, quelqu’un d’intelligent et d’avisé auparavant.
La crise malgache l’a détruit, le chômage l’a anéanti et tout ce qu’il était, s’est tari.
Son bon sens moral l’a trahi dans un pays où la corruption devient banale.
Pauvre pays où pour pouvoir travailler, il faut d’abord payer.
Comme il ne s’y fera jamais, il ne lui reste qu’à crever. »
------------

Vasobasoka fitafy, ho’aho, Ra-Malagasy.
Gilôbalôba fianjaika, tontatonta ratsiratsy.
Bàkiraro loadoaka, kapakapa lany ila,
Kolepadepaka mandringa, silasila, bilabila.

Sara-bady, lany vatsy, zanaka nafoy
Tompontrano koa nandroaka, akora lava hoe : « Kororoy !
Iantsoy vadintany, angalao fokontany !
Daroy, homboy, lakoy !! Vonoy !!!

Lasa indray, mitanjozotra tsy ho aiza.
Mitady volakely amin’ny namana, sakaiza.
Mangataka etsia, mitrosatrosa eroa,
Na menatra olona aza, afoy ny ambom-po.

Olo-nianatra sady kinga no mahay.
Ny asa tsisy fa raha misy, andoavam-bola indray.
Voatery mitsoaka, mitsoaka trosan’olona,
Maty ihany no iafaràny, aoka izay mandrakizay !!

AOK’IZAY ! AOK’IZAY !! AOK’IZAY !!! AOK’IZAY !!!!

Tonony sy feony : VAHÖMBEY (Rakikira LàKAlàKA - 2015)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vahombey
Vangy : 1806
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/12/2014 14:12
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115