HM (Hasambarana miavaka) (Tsota)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Omeko masoandro
Raha sendra andro maloka na tsy ampy hafanana
Omeko akanjo
Raha sendra ririnina izy na oram-panala
Ha hisy havandra ô
Dia tsarovy fa ianao misy mpiaro
Na hisy hampiasa sandry e
Sainao ataovy mandry
Sainao ataovy mandry


Miara!
Miaraka manao fety e
Miaraka
Mitety ireo tampon-tanety
Faly e,
Toy ny zaza milalao kanety e
Yah yah
Ny ankoatr'izay ho'aho tsa mety e

Soa ho anao io
Soa ho anah io
Soa iraisana
Tsy ho simban'ny tomany e
(Tsy ho simban'ny tomany e)
Soa ho anao io
Soa ho anah io
Soa iraisana
Samy tsisy malahelo
(Samy tsisy malahelo)

Ahn
Aleo manana iray
Fa mahavita maromaro
Toa izay manana maro
Fa tsy mahavita ny vitan'ny iray
Voady efa napetraka ny antsika hatramin'izay
Hoe na ratsy fiatombohana ara
Tsy maintsy vita milay
Enga anie hanana ny ampy tsy hitaraina e
Dia fahombiazana foana no hotantaraina e
Ho feno tsiky anaty life tsisy rahoraho
Dedicace 'ty ny vazo dia hirahirao

Miara!
Miaraka manao fety e
Miaraka
Mitety ireo tampon-tanety
Faly e,
Toy ny zaza milalao kanety e
Yah yah
Ny ankoatr'izay ho'aho tsa mety e

Soa ho anao io
Soa ho anah io
Soa iraisana
Tsy ho simban'ny tomany e
(Tsy ho simban'ny tomany e)
Soa ho anao io
Soa ho anah io
Soa iraisana
Samy tsisy malahelo
(Samy tsisy malahelo)

Ny saiko koa mba mila tony
Ny fonao koa tsy ho simba intsony
Zaraiko aminao ny hasambarana miavaka e
Ny saiko koa mba mila tony
Ny fonao koa tsy ho simba intsony
Zaraiko aminao ny hasambarana miavaka e
ieeeh yehhh!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsota
Vangy : 1533
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 26/12/2021 16:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.484