You are here: home > Tononkira > Tovo J'Hay

Tsy hanaiky intsony (Tovo J'Hay)

Tsy hanaiky intsony
Aza mbola maika ny handeha
Vao manomboka ny resaka ange
Tsy aiko raha mba fantatrao
F’efa ela no niriko an izao

Ny fo anatiko ao mibitsika mangina
Midobodoboka feno fifaliana
Rehefa akakikinao, akaikin’olon tiana
Tsy hanaiky irery ntsony aho refa eo am pandriana.

Reo teny mamiko taloha, Averiko eto avokoa
Ny sandrinao mamihin ahy, No bodofotsy handrakotr ahy.
Dia tiko ho eo aho no haka fy sy hamboraka fitia
Zay tao anatiko hatram zay, nahamaika ahy

Ref: oh! Oh! Tsy hanaiky intsony aho androany
  Ho resin tory eo an tratranao, fa tsy hi tomany
  Tsy hiresaka intsony aho satria  
  Aleo ny foko no hilaza hoTsiky dia ampy  azy fa tia

Hiezaka aho tsy ho be lazao
Tonga dia hanantona hitrotro anao
Tsy avelantsika ho rava maina
Ilay fitiavana raha tsy maraina

Handrotsirotsy antsika hampanganohano
Ny feon ilay mozika malefaka
Fitefoky ny orana ao an tafontrano
Manainga ny ato anaty mila ho tresaka

Reo  teny mamiko taloha, Averiko eto avokoa
Ny sandrinao hamihin ahy, No bodofotsy handrakotr ahy.
Dia tiko ho eo aho no haka fy sy hamboraka fitia
Zay tao anatiko hatram zay, zay nahamaika ahy

Ref: oh! Oh! Tsy hanaiky intsony aho androany
  Ho resin tory eo an tratranao, fa tsy hi tomany
  Tsy hiresaka intsony aho satria  
  Aleo ny foko no hilaza ho  azy fa tia

A&C: Tovo J’HAY

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tovo J'Hay
Mpamaky : 1500
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ralayzik
Tamin'ny : 22/02/2017 20:23:02
ID : 9187

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo