Tsy afa-mandao (Tovo J'Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tafapetraka mihitsy aho androany
Raha vao naheno fa lasa ihany
Nangingina tsy dia be teny
Ka nanary dia teny ho eny
Ny tamberin’ireo fahiny
Indrindra moa ‘reo tsiahin’iny làlana iny
‘Zay fanaterako anao isan’andro
Sy ilay fanaontsika mody masoandro

Sangisangy izay misy indraindray
Ireo tsongotsongo kely mahamay
Ireo sento lasa tomany
Hanembonako rehefa tonga any
Ny elanelan’ny tany no misy
Fa raha ianao no adino, angamba tsy hisy
Ny fo sy ny saina no tavela
Hiezaka ihany aho ho avy tsy ho ela

Ilay fo mitempo tsy afa-mandao
Mijanona eo foana mitempo ho anao
Ireo ditra sy ireo fakam-panahy
Raha izay indray aza asiana ahiahy
Ny tamberin’ireo fahiny
Indrindra moa ‘reo tsiahin’iny làlana iny
‘Zay fanaterako anao isan’andro
Sy ilay fanaontsika mody masoandro

Ilay hira ‘zay tsy afaka am-bava
Mba kaloy aza avela ho rava
Hanamafy ilay fitiavanao
Izay efa mafy fatorana
Ny elanelan’ny tany no misy
Fa raha ianao no adino, angamba tsy hisy
Ny fo sy ny saina no tavela
Hiezaka ihany aho ho avy tsy ho ela
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tovo J'Hay
Vangy : 5536
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Oullias
Daty : 24/12/2002 18:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741