Romotra fitia (Tovo J'Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vahotra ny saiko
Angamba toa tsy ho haiko
Hilaza hibitsika fitia tiako ho an dry
Ny saiko sy ny foko
Mitakokokoko
Izaho mia-bora mena miova loko

Reko mikoriana
Anatiko mangina
Mila anao anie aho ry tiana
Tsy mba mety ho moana
Fa dia miraondraona
Te mba hiantso mafy hoe “TIK TIK N O”

Ref: Maty aminao aho tiako Yah!
Adala aminao aho, maty aminao oa ‘zah

Saro-kenatr’aho
Tsy haiko izay ho atao
Ny fihetsiko no amboariko ho fantatrao
Maika mafy ery
Romotra mitia
Maika loatra ny ho eo akaikin-dry

Reko mikoriana
Anatiko mangina
Mila anao anie aho ry tiana
Tsy mba mety ho moana
Fa dia miraondraona
Te mba hiantso mafy hoe “TIK TIK N O”

Ref: Maty aminao aho tiako Yah!
Adala aminao aho, maty aminao oa ‘zah
Maty aminao aho tiako Yah!
Adala aminao aho, maty aminao oa ‘zah
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tovo J'Hay
Vangy : 1783
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ralayzik
Daty : 22/10/2018 11:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717