Reny (Tovo J'Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa impiry moa
tsy indray tsy indroa
efa mba maro ‘zay
Tsy nolavinao fa noraisinao
’ty foko diso tety
‘Ndraindray aza aho nandreraka
Mila ho ketraka ny fo sy fanahy
Tsy mba mety ho ritra ireo ditraditra
Izay tsy tianao

Tsy nahafoy anao,
tsy nanary anao
Fa mbola teo foana
Fitia tsy mety ho lo,
nanenika ny fo


Ref Ianao nampianatra ahy hamindra
‘Reo fiainanay ho tsara rindra
Nampitony ny adin-tsaina
raha mitaraina
Tsy mba sasatra nanitsy
’Reo hadalana vitsivitsy
Fay ! nandreraka anao
tsy hanao intsony aho


Efa impiry moa tsy indray tsy indroa
Efa mba maro ‘zay
Tsy nolavinao fa noraisinao ’’ty foko diso tety
‘Ndraindray aza aho nandreraka
Mila ho ketraka ny fo sy fanahy
Tsy mba mety ho ritra ireo ditraditra
Izay tsy tianao

Tsy nahafoy anao, tsy nanary anao
Fa mbola teo foana
Fitia tsy mety ho lo nanenika ny fo


Ref Ianao nampianatra ahy hamindra
‘Reo fiainanay ho tsara rindra
Nampitony ny adin-tsaina raha mitaraina
Tsy mba sasatra nanitsy
‘Reo hadalana vitsivitsy
Nanaraka ahy eny foana mandava-taona

E e e, ianao tsy foiko,……




Tovo J’Hay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tovo J'Hay
Vangy : 4013
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : botakely
Daty : 22/08/2006 13:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2198