You are here: home > Tononkira > Tovo J'Hay

Ilay rendez-vous (Tovo J'Hay)

https://tononkira.serasera.org/hira/tovo-jhay/ilay-rendez-vous

Toa feon’ankizy be dia be  mikakakaka
Samy falifaly fa toy ny tsy eto an-tany
‘lay mozika henoko any manakoako
Mampidoboka ny fo mameno trano

Henoy kely ange  na, na, na, na,   miara-manao hoe  na, na, na, na

‘Refa tonga ilay ora hifampitaona
Samy may ts’isy bedy fa te mba hihaona
Mihazakazaka hamonjy fidirana
Sao dia diso fotoana ka sahirana

Henoy kely ange  na, na, na, na,   miara-manao hoe  na, na, na, na
O o o o o o

Ref: ‘Lay rendez-vous,   aleo atao any ‘ndray
Tsara kokoa   fa any no miTsiky dia ampylay


‘Reo jiro maro be m’tataovovonana
No mandravaka ny fety lanonana
Tovovavy jefijefy   toa manaitaitra
Milamindamina jerena tena raitra

Henoy kely ange  na, na, na, na,   miara-manao hoe  na, na, na, na

Gasigasy, dance hall, blouse, rock
T’sisy miala fa reveny t’sisy mitsoaka
Gaga anefa toa tsy mety vizana
Mailamailaka am’ty fandihizana

Henoy kely ange  na, na, na, na,   miara-manao hoe  na, na, na, na
O o o o o o


Ref: ‘Lay rendez-vous,   aleo atao any ‘ndray
Tsara kokoa   fa any no milay


Tovo J’Hay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tovo J'Hay
Mpamaky : 3955
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 27/07/2006 13:33:35
ID : 3800

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo