You are here: home > Tononkira > Tovo Andrianandraina

Any andro iray (Tovo Andrianandraina)

Any andro iray
Izao tenako izao
Hangina tsy handre
Ka hitomany ianao
Any andro iray
Ny fo mifankatia
Hisaraka avokoa
Dia ho foana ny fitia

Ary any andro iray
Izao tontolo izao
Ho toro ka hisolo
Ho tany vaovao
Any andro iray
Satana sy ny sisa
Handositra avokoa
HisehoTsiky dia ampy ny paradisa
Hisaina ianao mba inona no atao
Hisaina ianao fa tsy ho fantatrao

Any andro iray
Ho hitanao tokoa
Ireo razana hatrizay
Hitsangana hifoha
Ary any andro iray
Ny didy dia ho to
Ka ho eo anatrehanao
Ilay endrika tsitoha
Hisaina ianao mba inona no atao
Hisaina ianao fa tsy ho fantatrao

Mpihira : Tovo Andrianandraina
Mpamaky : 3866
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 22/08/2002 16:53:45
ID : 900

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo