JEHOVAH TOMPO MASINA O (TCR (Tarika Christophe Ratrema))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Jehovah Tompo Masina o
Isaoranay Ianao,
Fa narovanao izahay
Ka tratr'izao anio izao.
Ny fonay no asandratray
Mba hiderana Anao;
Raisonao ka anjakao,
Hanao ny sitraponao

Tompo o, tongava re!
Ka roahy ny haizim-be
Mialoka ao anatinay,
Ka hazavao ny dianay.
Mba averenonao indray
Ny hafaliana tsara
Natolotrao mba ho anay
Mamerovero ravintsara.

2- Fanahy Masina Tsitoha
Ny foko mba tohano,
Ho mpiambina mifoha!
Ny ratsy koa sakano.
Handresy fa fehezinao,
Ka tsy ho resy intsony;
Ny dia manomboka eto izao
Ho tonga hatrany ambony.
--------
Rohy:
Hevitra
Ravakiniaina. ( 06/09/2022 17:44)
Mba mangataka an'io hira io aho zay manana na mahita rohy misy an'io
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TCR (Tarika Christophe Ratrema)
Vangy : 1316
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : kwmg
Daty : 01/02/2020 08:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0786