Tsy ho faty ato am-poko (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho faty ato am-poko fa mamiko tokoa ianao (JESOSY)
Ry JESOSY TOMPO ANDRIAMANITRO
Nisolo heloka ahy mpanota ny tenanao sy ny ranao no
Natolotrao ho fanavotanao ahy (tsy misy ny)
Tsy misy ny toa anao hoe manam-pitiavana
Mba tano aho hifikitra aminao

Fiverenana :
Aza avela ho andevozin'ota intsony
Fa diovy sy sasao amin-dranao
Ndeha isika samy hanokatra ny fony
Fa JESOSY anie maniry hiditra ao
(Ndeha isika) Ndeha isika samy hanokatra ny fony
(Fa JESOSY) JESOSY anie maniry hiditra ao

Ny fanahy masina no ndeha angataho hitari-dalana
(Anao mba) hahatonga anao ho eo ankavanany (rahatrizay)
Rahatrizay tonga ilay ora dia tsy ho sarotra fa mora
Ny hahazoanao ny anjara lova masina (mivonona)
Mivonona hihafy hatrany ho an'llay maty ho anao
Ny sitrapony anie no aoka hatao

Fiverenana :
Aza avela ho… (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 93
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 16:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746