Rakolikoly (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zavatra iray tena mahavariana no indro lazaiko anao
Tsy hoe fitiavana hanankihana no anambarako izao
F'efa lasa fomba fanao, tsy mahamenatra intsony izao
Mpanompon'Andriamanitra aza dia lasa koa mba manao

Ny voninahitra sy ny vola no anton-drakolikoly
Ka na ny tanora na ny efa sola dia be no saribakoly
Fa ianao raha hanao raharaha, tsisy vola dia andeha mialà
Tanteraka mihitsy izao hoe ny vola no maharangahy

Fiv : Maro ireo izay mivelona e, amin'ny volana kolikoly
Fiainana mankalaza ny devoly
Raha toa ka fangalarana e, tsy mitondra mankaiza anie
Fa manosika anao anaty afobe
Isika izay mino izao no tokony mba ho fitaratra
Fa tsy isika indray no ho mpangalatra
Ka andao re mba hitsangana hanafoana izany
Fa ny Tompo no hanasa antsika amin'ny ràny
(Mba tsy ho rambony intsony isika eto an-tany)

Fa ny tena mampivarahotsana amin'ity raharaha ity
Mitady ho tafiditra am-piangonana izy ity ka toa mankahia
Mitandrema isika zareo izay miteny aza mety ho leo
Ny tenin'Andriamanitra no ifikiro hampiray ny feo

Sampana iray tao am-piangonana handeha ho any Ampangabe
No indro voasakan'ny fivondronana tsy feno ary ny papiers
Dia nitsangana ramose, Ramose moa trésorier
Poa tahak'izay nivaha ny fefy, ary dia lasana nandeha

Fiv : Maro ireo izay mivelona e…

Olana iray tsy mba azo ambaniana fa tena miteraka fifandrafiana
Rehefa ny marina izao no vidiana dia iza intsony no azo itokiana
Misy ireo zatra nandray tamin'ny tànany nefa dia ozona ho an'ny taranany
Tsy mba matahotra hoe misy farany Belzeboba no toa nianarany
Belzeboba no toa nianarany, loza izany

Rehefa natao ny fanadihadiana dia tsapa fa maro no mbola tsy liana
Hoe raha ny vahoaka no miray hina dia ho foana tanteraka ireo habibiana
Firy isan-jato ny kiristianina nefa dia maro ireo izay mody fanina
Sady mikipy no mihinan-kanina avy amin'ny làlana tena tsy marina
Avy amin'ny làlana tena tsy marina, loza izany

Fiv : Maro ireo izay mivelona e…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 152
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 16:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076