Ekeo ny sitrapony (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Raha izay nokasaina hatrizay sy izay rehetra vita izay,
no aposaka sy ho tantaraina dia mety ho kivy ianao.
Mety hiverin-dalana tsy hanohy ka tsy hahatratra ilay
tanjona dia ny eo anilan'ilay Ray.

Misy tojom-pahoriana ka tonga dia mamoy fo,
tsy mahalala fa ny fiainana efa nalamin'ny Tsitoha.
Fa fitsapana mba hanefena ho mafy orina,
ka hijoro hatoky Azy any aoriana any.

Isan'andininy:
Tsarovy fa izay miseho eo amin'ny fiainanao,
dia lalana efa nomanin'i Jesosy ireny.
Ekeo ny sitrapony, ny voninahiny
dia ho hitanao ny fiainana rehefa ao aminy.

2- Ankino tanteraka aminy izao fiainanao izao
fa Izy Irery no hampandresy ary hahatafita anao.
Hazakazaka ny fiainana ka inona indray no andrasana,
Jesosy miantso anao.

Hianao malahelo io anie dia tsarovy tsara fa voasoratra
Ka tadidio ny hevitra hitondrany anao,
Hevitra hitondra fiadanana, sanatria tsy loza.
Ka aza kivy ianao, Jesosy tsy mandao.

Isan'andininy:
Tsarovy fa izay miseho eo amin'ny fiainanao,
dia lalana efa nomanin'i Jesosy ireny.
Ekeo ny sitrapony, ny voninahiny
dia ho hitanao ny fiainana rehefa ao aminy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 2609
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Herizo15
Daty : 22/05/2020 08:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1786