ANAO NY SAFIDY

Titre ANAO NY SAFIDY
Envoyé par aloka
Le 21/08/2007 15:07
Visites : 292


1-Raha misy alahelo izay tojo anao 

   Ahiahy sy ranomaso no iainanao 

   Be dia be ny adin-tsaina efa mila handrerak'aina

   Izay rehetra atao zary rava maina

   Izahay anefa milaza aminao

   Ts'inonts'inona tokoa raha izao isika izao

   Izao rehetra izao handao tsy mba misy tsy ho laho

   Very maina ny asanao



REF:Raha sendra majombona ianao androany

       Ka ho mila hisento kivy sy mitomany

       Tsarovy fa Jesoa mahita anao 

       Ka hamonjy anao amin'ny olanao



2-Raha ny fahaizanao no iankinanao

   Ka ho hitanao daholo izao rehetra izao 

   Mba fantaro dieny izao aiza no alehanao

   Raha alaina anio ny fanahinao

   Fa ny hasambara misy eto an-tany

   Fifaliana mora very ary koa mora lany

   Raha mifaly ianao amin'izao tontolo izao

   Adin-tsaina no miandry anao



REF:Jesosy nanolotra ny ainy ho anao

        Hanome fifaliana amin'ny fiainanao

        Raha ho faty ianao Izy hitsenanao

        Raha vonona ianao ao an-danitra ao

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086