Hatraiza (Soa'Niaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mampijaly anao anie izy iny
Namono anao efa impiry
Nefa dia tsy foinao fa hoe mbola tinao
Ny eo anilany

Ireo namanao efa leo
Mahita ny zava-miseho
Ireo vono, hitsakitsaka mahazo anao
Nefa hiaretanao

Bridge :
Ilay hoe tsy afa-manoatra
F'efa iny no izy
Izy ilay safidy, efa vadiko izy
Ka na inona hitranga, na ino-kidona
Ny ahy, hiaretako eo foana

Refrain :
Hatraiza ary zany ilay fiaretanao
Sa hanaraka ny ainao, tsy ho eo intsony ianao
Izy anefa, hitady hafa vaovao
Hatraiza ary zany ilay fiaretanao
Sa hanaraka ny ainao, tsy ho eo intsony ianao
Izy anefa, hahita ahasolo anao

Auteur-compositeur :
Soa'Niaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Soa'Niaina
Vangy : 10
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ZahSoaniaina
Daty : 27/05/2026 04:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0332