zaza izahay (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ray ô ! Zaza izahay kanefa
Ô ! Atolotray Anao tokoa ny andronay rehetra
Atolotray tokoa ry Ray ho ambany elatrao
Arovy re ry Tompo raha sitrakao
2-Ray ô ! Zaza izahay kanefa
Arotsahy aminay tokoa ilay fitiavanao
Mba ahafahanay ry Ray manao ny asanao
Ambino re ry Tompo izay rehetra atao
3-Ray ô ! Zaza izahay kanefa
E ! Ny andro iainanay ry Tompo ho Anao tsy misy fetra
Ambaranay anio Jesoa fa  aina re no fetra
Ny hanara-dia  anao no atao tarigetra
REF : Hidera Anao ‘zahay raha mbola miaina ety
Ny angatahinay ry Ray arovy tsy hania
Ny ezaka atao anie  ny mba hanompo Anao
Na ho mafy na ho mora tsy hiala Aminao

                                  A . Hery Razanakoto
                                      
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : sami FJKM ITAOSY
Visites : 189
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : feotsotrakoto
Date : 04/03/2025 07:39
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0696