tsy tapitra hatreto (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Raha @izao fiainana izao ihany no hanantenanao
An’i Kristy dia mahantra indrindra ianao noho ny olo-drehetra
Ny fiainana antany anie raha jerena toa fiaina-ara nofo
Ka moa ve ianao ho sahy tokoa hanompo ny Tompo
Ny fiainana ara-nofo no ndeha  ho jerena dia izao no azo ambara      
Fijangajangana sy fahalotoana,fijejojejona
Fanompoan-tsampy  sy fifandirana fifampiandaniana
Fitokotokoana ,fifadirana , fialonana

2-Zao  fiainana izao ve moa mba fantatrao tsy tapitra hatreto
Fa mbola mitohy any an-danitra any voalazan’ny Tompo
Raha toa ka ianao maniry izany fiainana izany
Tsy maintsy mandray an’i Tompo Jesoa ho Tompo Mpamonjy
Ny fiainanm-panahy no ndeha ho lazaina dia zavatra  tsotra
Fitiavana ihany sy reo fifaliana fiadanana hatrany
Ny faharim-po sy ny fanaovantsoa,fahalemem-panahy
Fahamoram-panahy sy fandeferana fahamarinana
(I kor 15:19 –Gal 5: 19—2
                                     A. Hery Razanakoto

                        
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSY
Vangy : 63
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 04/03/2025 07:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0909