tsy maintsy ho sedraina (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny fiainana  an-tany no ndeha ho lazaina
Toa sarotra ihany tsy misy antenaina
Voalaza fa ady re ny fiainana
Sedraina avokoa reo olana maro
Toa sarotra vahana toa mila tana-maro
Izany re tsy hilaozam-pahoriana koa

2-Ny fiainana  an-tany no ndeha ho lazaina
Toa sarotra ihany tsy misy antenaina
Voalaza fa ady re ny fiainana
Ny zava-miseho tsy maintsy sedraina
Na mafy io na mora mihatra aman’aina
Izany re tsy hilaozam-pihafiana koa

REF :
Toa mila tsy ho zaka zakaina,
Mampitomany mampiferon’aina
Fiainana ve? Tsy maintsy sedraina raha toa ianao
Ka mbola te ho velon’aina ,
Mitrakà,dia mitsangana miasà
Raha Jesoa no hitantana anao
Amin’ny zay ezaka ataonao
Dia aza kivy ianao na be taraina,ny ezaka atao
Dia tsy mba very maina.
Matokia ny Tompo tsy handao anao

                                         A . Hery Razanakoto
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSY
Vangy : 50
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 04/03/2025 07:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0963