ny eo akaikinao (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Saika ho solafaka aho mahita ireo ratsy fanahy
Toa miadana tokoa sady toa mirehareha
Nefa hambarako aminao ,mnadalo anie ny eto antany
Hasambaram-betivety sady tsy maharitra

2-Aza miary harena ety fa mba banjino ‘lay ary
Ny harena azonao dia zava-poana avokoa
Koa ambarako aminao fa tsy ny eto antany anie no
Tena mahamaika anay fa ‘lay fiainan-danitra

REF :
Fa ny eo akaikinao Tompo ô ! No tiako
Fa ao Aminao no maharitra mandrakizay
Raha tonga ny andro handaozako ny eto
Dia hafaliana no hihaonako Aminao

                           A . Hery Razanakoto  (Oct 2016)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSY
Vangy : 117
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 04/03/2025 06:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0746