miomana ianao (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ho anareo ‘zay mino ahy
Miomàna ianao fa hanam-pahavalo ianao izao
Satria nahoana e? ho halan’ny olona ianao
Noho ny amin’ny Anarako
Ny firosoana ho miaramila ! Miaramila hoe
Ho vavolombelon’i Jesoa
Dia mila  sahy hijoro hatrany koa vonona
Tsy hivadika amin’i Jesoa

2-Ho anareo ‘zay mino ahy
Miomàna ianao hiatri-pijaliana dieny izao
Satria nahoana e !ho halan’ny olona ianao
Noho ny amin’ny Anarako
Ny firosoana ho miaramila ! Miaramila hoe
Ho tena hanao ny asan’i Jesoa
Dia mila sahy hiasa hatrany koa ,tena sahy
Tsy hivadika amin’i Jesoa

REF:
Ho halan’ny olona tokoa ianaonoho ny amin’ny anarako
Nefa maharetà hatrany izao ,fa izaho Jesoa no homba anao
Ou ô ! Ou ô ! ‘zay maharitra amin’ny farany no ho vonjena
Ou ô ! Ou ô ! Miomàna ianao fa ho mpandresy hatrany(2)
                                                              ( Mat10:22)
                         A . Hery Razanakoto
                                   (21 Août 2017)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : sami FJKM ITAOSY
Visites : 173
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : feotsotrakoto
Date : 04/03/2025 06:47
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1622