Mba saino (SALSA Ziona Fahazavana Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ho antsika olombelona rehetra miaina ety
Variana mitady ny harena izay mora lo
Nandany ora sy fotoana tamin'ireo zava-poana
Ka nohadinoinao 'lay mandrakizay

REFRAIN:
Hevero ny fiainana ankoatra ny eto an-tany
Dia ao ilay paradisa any an-danitra any
Mba saino diniho amin'izay sao ianao tsy voaray
Katsaho ilay fiainana mandrakizay

2- Ho anao tanora mitia 'zao fiainana izao
Andeha tanteraho 'zay rehetra tianao atao
Tsarovy hatrany anefa ny Tompon'ny zava-drehetra
No ho avy ka hitsara anao

REFRAIN:
Hevero ny fiainana ankoatra ny eto an-tany
.........


3- Ho anao ry zandry malala andeha ka sahia
Lazao torio ambarao fa ilay tompo tia
Dia ho avy indray tsy ho ela tsy hisy 'zay ho afa-bela
Fa hiatrika 'lay fitsaràn'ny Ray

REFRAIN:
Hevero ny fiainana ankoatra ny eto an-tany
..........

FJKM Ziona Fahazavana Anosibe
A/C Désiré Rafanomezantsoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SALSA Ziona Fahazavana Anosibe
Vangy : 1307
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : niainarahadra
Daty : 01/02/2018 19:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746