You are here: home > Tononkira > Rossy

Vao lasa ianao (Rossy)

Vao lasa ianao!
Maloka foana teo ny andro
Manjombona, mahasorena.
Nidify koa ny masoandro
Misaona izay rehetra jerena

Vao lasa ianao!
Injay nidona moramora
ny orana avy any atsimo any
Toa naneso sy nanakora
Ity nilaozanao tomany

Ref:
Nitambolina ao avokoa
ny fahatsiarovana rehetra
Niotrik'ela tao am-po
Na ratsy na soa
ITsiky dia ampyndrisy fa nilaozanao
Maizina ho ahy 'zao rehetra izao
Ny ranomaso sisa no mijohy
fa lasa tokoa mantsy ilay tsy fohy

Vao lasa ianao
Niezaka aho hanary dia
Sy hanadino vetivety
Adala anefa hono ireo 'zay tia
Ny tany aminao tsy nety

Vao lasa ianao
Ny foko sy ny saiko koa
Tsy nety nahodina intsony
Fa tany aminao avokoa
Tsy nety hilamina hitony

Ref:

Mpihira : Rossy
Mpamaky : 4284
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : varavarana
Tamin'ny : 21/07/2010 21:06:17
ID : 5885

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo