Raha ho avy. (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ho avy akia ny ora-mijojo ka hamonto sy handena ny tany
Dia tsarovy fa tomany izay  ny havanao
Tsy mamela fa mangeja toa rojo ny fahatsiarovana  ilay tiana any ho any e,
Fahavaratra ny atý ka manembona anie aho.

Raha ho avy izay andro izay
Herezo ny fo sy fanahy,
Fa any andro iray tsy maintsy ho tafaray,
Tsarovy ralala ô,
Fa manembona anie aho.

Raha  ho tonga ny hatsiaka mamanala, ny zaridaina lasa babangoana,
Dia tsarovy fa manirery izay ny havanao.
Manjonitra tsy misy mpahalala, mangatsiaka anie aho fa tsisy hamindroana,
Fa ririnina ny atý ka manembona anie aho.

Raha ho avy izay andro izay
Dia herezo ny fo sy fanahy,
Fa any andro iray tsy maintsy ho tafaray,
Tsarovy ralala ô,
Fa manembona anie aho.

Raha ho avy kosa ny masoandro baliaka ka hamelana ireo voninkazo,
Dia tsarovy fa efa ho avy izay ny havanao.
Mifalia akia fa hifankahita, hiara-hikalo hiara-hivazo,
Fa lohataona amin'izay ka hiverina anie aho.

Raha ho avy izay andro izay
Dia herezo ny fo sy fanahy,
Fa any andro iray tsy maintsy ho tafaray,
Tsarovy ralala ô,
Fa manembona anie aho.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 3088
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 19/02/2012 15:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3491