Manàna Finoana (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao iay trotraky ny ady
Tsy nahita fandresena
Ianao ilay sasatra nitady
Nefa tsy mba nomena

Ianao tanora lasa saina
Na ny lahy na koa ny vavy
Fa tsisy an’iza ho antenaina
Maizin-kitroka ny ho avy

Ianao mahatsiaro farahidiny
Fa nanao izay zava-tsy finidy
Ianao ilay toa fo te hitraotra
Nefa tsy afaka manoatra

Manàna finoana, tanjonao banjino
Manàna finoana, marina fihino
Na inon-kidona, mijoroa hatrany
F’izay manampinoana, handresy ny hiafarany

Ianao ilay tsy mino intsony
Mbola mihodina ny tany
Ianao tsy mino fa ny ambony
Mety hifototra ho ambany

Ianao milaza ho tsy mahita
Izay mety hahavonjy antsika
Fa resak’eh sy fikafika
Fahagagana politika

Ianao ilay mila hamoy fo
Fa reraky ny nanao soa
Fa toa ny ratsy hatrany hatrany
No misondrotra eto antany

Manàna finoana, tanjonao banjino
Manàna finoana, marina fihino
Na inon-kidona, mijoroa hatrany
F’izay manampinoana, handresy ny hiafarany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 6080
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 19/11/2001 18:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721