Any Malala

Lohateny Any Malala
Nampiditra mialy17
Tamin'ny 14/05/2006 17:42
Vangy : 1466

Sim   Fa#
Any malala
Ré         Mim          Sol         Ré          
Manoratra ho anao aho, fa ny aty dia salama
      Mim         La
Nefa tsy dia misy vaovao
 Sim           Fa#        Ré       Mim
Fa malahelo mafy anao aho,mila ho adala
Sol           Ré         Mim                 La
Nefa ataho ahoana moa, fa mafy vao mba mioty ny voa 


  Ré           La    Sim      Fa#  
Fa ny aty, fa ny aty ady isan'andro
 Sol       Ré               Mim          La
Tsemboka miambina izay vao mba mahita ny soa
  Ré           La     Sim       Fa#
Fa ny aty, fa ny aty mamono masoandro
 Sol      Ré      La    Sim
Nefa tsy kivy fa mankahery fo
 Sol      Ré       La       Sim
Mifofotra miady hiadanantsika roa 



Any malala,

Manoratra ho anao aho,voaraiko androany

Ny taratasinao, izay milaza fa hoe:

Angamba tsy ahandry ahy intsony ianao, fa hiova malala

Mangata-tso-drano miangavy ahy hanadino

Hamela anao mba handeha 



Fa ny aty, fa ny aty tsy mino ny saina

F'ianao nolalaina,nihariana,nihafiana

Izao rehetra vita izao

No any, no any tsy ahandry maraina

Nahita ny hafa ka dia izao milaza fa handao 



Tsia tsy mino izany aho,fa-mbola tia anao

Androany, androany aho hanainga haka anao

Fa mino foana aho hoe mbola tia ahy ianao

Androany, androany aho hanainga haka anao 

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2561