Tsy hitako (ROLF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Leo aho manontany izay ao anatin’io loha io, manja tiako tokoa
Raha tena tianao aho, ovay ity fihetsikao, dia mba tantarao izay tianao ataoko fa

Tena tsy fantatro intsony izay tadiavinao ataoko
Hiakandrefana, ho any ambony, hiaritra sa handao
Mibebaka na mifona, tsy haiko izay tsy natao
Safosafo na mandona, tsy noraharahinao

Mivazizotra mafy mba tsy ho laozanao
Somary niataka kely mba hoakakaizinao
Niafina tao ambadika ho tadiavinao
Tsitako intsony izay azoko atao

Mba ho tianao, mba ho tianao, mba ho tianao, mba ho tianao ...
Tofoka aho maminany izay ao anatin’io fo io, lalina tsitako
Te ho kilalao aho, hanao izay sitrakao, dia mba ambarao izay tianao ekeko fa

“ Lanitra inona indray ary no hampanantenaiko an-dry
kintana firy no hotazako ho an-dry
hasambarana hatraiza no tadiavindry
inona ary, teneno e, dia homeko an-dry
izaho anie ilay taloha ireny tsy hoe tia tena
fa mba nanao izay noheveriko fa nety, kay tsy nekena
ampianaro aho e, ekeko fa tsy mahay
dia ho atosiko kely, haharitra mba ho mandrakizay ... “
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ROLF
Visites : 470
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 12/02/2022 11:16
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118