Tsy irery intsony aho (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho irery intsony aho
Tsy andeha aho fa very aho
Raha tsy andeha ianao
Anaty ady sakaiza antenaina
Ny fisianao no mamy noho ny aina

Tsy ho irery intsony aho
Mahery sahady aho
Mandre ny feonao
Mahery tomady fa tarafinao

Tolo-tanana omena
Ny fihavinao tombotsoa
Tonga toa fandresena tsy nisy nanam-po

Fa lanitra izay misy anao
Andriamanitra mihitsy ianao
Tompo ô nohamarininao
Fa velona ny teny sy ny feonao
Fon'olombelona
No ijoroanao ho vavolombelona
Porofom-pitiavana Ianao
Fitiavana ianao

Fanahy Masina ô
Andriamanitra ô tongasoa Ianao e
Sambatra aho tsy mandeha irery
Sambatra aho misy mampahery
Ianao irakin'ny Ray
Tambin'ny fiainana Mandrakizay
Tambiny ho anay, tombony ho ahy

Sentosento lalina
Tompo o vavakao ho ahy
Lalina miantso lanina ao ampon'ny Ray

Fa lanitra izay misy anao
Andriamanitra mihitsy ianao
Tompo ô nohamarininao
Fa velona ny teny sy ny feonao
Fon'olombelona
No ijoroanao ho vavolombelona
Porofom-pitiavana Ianao
Fitiavana ianao
Ampahitao ny voninahitrao
Tolory saina fa mbola tsaraina
Omeo fanambarana, omeo fahitana
Ampianaro foana, hahay ny fotoana
Ahirato ny aiko
Ny mason'ny saiko ampahitao ny nofinofinao
Omeo famangiana, omeo vinavina
Tompo ô ! inty aho
Iraho aho, hazavao amin'ny hazavanao

Iraho aho, hazavao amin'ny hazavanao
Tompo ô !
Iraho aho, hazavao amin'ny hazavanao

Salanitra izay manana anao
Salanitra izay tantananao
Tsy mandeha irery, misy Mampahery
Mandeha tsy very, mahita raha mijery

Ahirato ny aiko
Ny mason'ny saiko ampahitao ny nofinofinao
Omeo famangiana, omeo vinavina
Tompo ô ! inty aho Ampiasao aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 695
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Donna santatra
Daty : 04/12/2021 17:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1418