NY HO TIANAO (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nampoiziko ho dia ianao
No nahatonga ahy sahala amin'izao
Tsy nataoko ilay tsindry ila iny e
Dia sondriana ilaza hoe

Fa ny tsikiny tsy nety lany
Ny ahy ny hiaraka hiaraka ihany
Ilay fitia toa nilatsaka avy any
Sesilany

Dia toy ny tsy nandia tany
Anie fa nipenipenina
Tena faly ,faly any aho izany e
Nefa nafenina
Izaho moa tsy tompony nefa moa
Nanao ambokony hay ianao koa
Toa ahy

Sempotra aho talohan'izao
Fijaliana noniainanao
Ny omaly nitovizantsika e
Niainantsika soa fa lasa e

Eny lasa nanaraka anao
Ny ampitso tsy nety nandao
Leo somonga aho fa tsy nety tonga e
Ilay nandrasany

Dia toy ny tsy nandia tany ...

Ny ho tianao , ny ho tianao
Tsy fahazarana efa fanao
Fa fiovana ,fahagagana
Tsotra izao e

Ny ho tianao , ny ho tianao
Isan'andro isan'andro mihavao
Tsy resim-potoana ,volana na taona e

Ny ho tianao , ny ho tianao
Tsy hoe safidy na tody miandry
Sasamiandry , miandrandra anao

Izaho moa tsy tompony nefa moa
Nanao ambokony hay ianao koa
Toa ahy ,toa ahy ... toa ahy ... toa ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 5037
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : riaj
Daty : 17/08/2010 11:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726