Mino aho (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zoky a, misy afo mampafana
Miredareda eo àmin’ny Fiderana
Misy firaisam-panahy
Misy hery mampiray
Hanambatra indray ny fizarazarana

Zoky a, toy ny ety ambony tany
Maro ny mijery antsika any an-danitra any
Fa ny any any ny ety nasainy hifankatia
Hifampitantana fa lavitra ny dia

Ref : Mino aho, eny mino aho
F’efa manakaiky any ny Fanjakany
Ireo mino mahalala ihany
Hifandray tanana am'izay
Hiaraka hiakatra hatrany an-danitra any
mino aho

Zoky, ny alitaran'ny Fiderana
Miandry antsika hanandratra ny fahazavana
Ny fanilo an-tananao
Ny fanahy sy ny lazanao
Tsy mamono fa manome aim-baovao

Zoky a, rehefa mivavaka ianao
Misy hery vaovao am-poko ao
Reko ny hafalian'ny Ray
Mahita antsika tafaray
Hiarahana,fihiram-baovao

Ref : Mino aho, eny mino aho
F’efa manakaiky any ny Fanjakany
Ireo mino mahalala ihany
Hifandray tanana am'izay
Hiaraka hiakatra hatrany an-danitra any
mino aho

Bridge : Fa mahery ny fanahy
Handresy lahatra indray
Ireo manao lalàna, mpanameloka rahalahy
F’ireo zanaky ny Ray
Hampiavana amizay
Ireo mpivavaka hino Tompo iray

Ref : Mino aho, eny mino aho
F’efa manakaiky any ny Fanjakany
Ireo mino mahalala ihany
Hifandray tanana am'izay
Hiaraka hiakatra hatrany an-danitra any
mino aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 8905
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 21/07/2007 16:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4178