Mangataka rano (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
‘Za hoa Jesosy mangetaheta mangataka rano Aminao
Maniry mafy amin’ny foko rehetra mangataka rano Aminao
Aiza dia Ianao ndray no hangataka amiko e, omeko fa tsy hampindramiko e !
‘Za hoa Jesosy mangetaheta mangataka rano Aminao e !
Maniry mafy amin’ny foko rehetra mangataka rano Aminao
Aiza dia Ianao ndray no hangataka amiko e, omeko fa tsy hampindramiko e !

Matsaka Aminao ny Fanahy, Ianao fanomezan’ny Ray
Aminao aho mitohoka
Matsaka Aminao ny Fanahy, tsy hangetaheta mandrakizay
Jesosy ô ! Miankohoka aho

Voninahitra eee ! Voninahitra eee !
Ho an’Andriamanitra Irery ihany e, any an-danitra any !
Voninahitra eee ! Voninahitra eee !
Ho an’Andriamanitra Irery ihany, ety an-tany !

‘Za Jesosy e mangetaheta mangataka rano Aminao e !
Amin’ny fanahin’ny fahamarinana no hiderako Anao e !
Ho fahafaham-po hampifaly indray ny fon’Andriamanitra Ray
‘Za hoa Jesosy e mangetaheta mangataka rano Aminao e !
Amin’ny fanahin’ny fahamarinana no hiderako Anao e !
Ho fahafaham-po hampifaly indray ny fon’Andriamanitra Ray

Matsaka Aminao ny Fanahy, Ianao fanomezan’ny Ray
Aminao aho mitohoka
Matsaka Aminao ny Fanahy, tsy hangetaheta mandrakizay
Jesosy ô ! Miankohoka aho

Voninahitra eee ! Voninahitra eee !
Ho an’Andriamanitra Irery ihany e, any an-danitra any !
Voninahitra eee ! Voninahitra eee !
Ho an’Andriamanitra Irery ihany e e, ety an-tany !

ieeehhh, hoavy e ! Hivavaka amin’ny fahamarinana !
(ieeehhh, hoavy e ! Hivavaka amin’ny fahamarinana !)
ieeehhh, hoavy e ! Hivavaka amin’ny Fanahy !
(ieeehhh, hoavy e ! Hivavaka amin’ny Fanahy !)
(x2)

Izay no tadiaviny e ! izay no tadiaviny e !
Izay no tadiaviny e ! Andriamanitra Ray lolohavina e !
(x2)

Voninahitra eee ! Voninahitra eee !
Ho an’Andriamanitra Irery ihany e, any an-danitra any !
Voninahitra eee ! Voninahitra eee !
Ho an’Andriamanitra Irery ihany, ety an-tany !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 894
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : 0341131376
Daty : 11/05/2024 20:35
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2411