Izay vonona no mandeha (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy fanambaniana fa aza tezitra ianao eh
Fa tsy haiko ny hangiana hoe: avelao amin’izao e!
Ny hava-tiana, raha tiana tokoa: resahana ihany aloha
Jesosy famonjena tsy mandehandeha ho azy eh
Safidy no nomena ho avy Izy haka ny an-azy eh
Fotoanan’ny Ray efa hatry ny ela be
Izay nateraka indray ihany no mandeha

Miandry ny famindram-po kely sisa
Hitsena Azy eny amin’ny rahon’ny lanitra isika
Miandry ny famindram-po izay dia lany
Ry be ambom-po, ho tavela ety an-tany aaaah

Tsisy an-kivilivily fa na misotro na mamily
Tsy hisy hanapak’hevitra amin’ny toeranao
Omaniko ny dia, na handeha ianao na tsia
Tsy afaka hilaza ianao hoe: tsy nisy nampandre

Fa efa kely sisa dia lasa izao
Amarino sao misy mamatotra anao
Fa raha lasa eo ny olona, eo no raisin’ianao
Ny amptitson’iny hoy aho tsy misy azo atao
Fa efa kely sisa dia lasa izao
Afatrafaro dia lazalazao
Mibebaka eh, izay te handeha
Ahoana ianao? Fa eo indrindra isika izao

“Izaho no Làlana” izany no lazaiNy e!
Izy no hany Làlana mankany amin’ny Rainy e!
Ny ho any an-danitra safidy ety an-tany
Tsy n’iza n’iza akory dia tafiditra any
Na lasa aza aho, alaivo sary anie izany e!
Raha tsy lasa ianao, mararirary ny ainy e!
Mba tsy hisy hanenina jerijereo
Fa tsara ny miaraka zareo

Miandry ny famindram-po kely sisa
Hitsena Azy eny amin’ny rahon’ny lanitra isika
Miandry ny famindram-po izay dia lany
Ry be ambom-po, ho tavela ety an-tany aaaah
Tsisy an-kivilivily fa na misotro na mamily
Tsy hisy hanapak’hevitra amin’ny toeranao
Omaniko ny dia, na handeha ianao na tsia
Tsy afaka hilaza ianao hoe: tsy nisy nampandre

Fa efa kely sisa dia lasa izao
Amarino sao misy mamatotra anao
Fa raha lasa eo ny olona, eo no raisin’ianao
Ny amptitson’iny hoy aho tsy misy azo atao
Fa efa kely sisa dia lasa izao
Afatrafaro dia lazalazao
Mibebaka eh, izay te handeha
Ahoana ianao? Fa eo indrindra isika izao

Izay vonona no mandeha, izay vonona no mandeha
Madama sa ramose? Ahoana ramose?
Tompon-tsafidy ianao e, (tompon-tsafidy ianao e!)
Tompon-tsafidy ianao e, (tompon-tsafidy ianao e!)
Mpanapaka, mpandidy ianao e! (mpanapaka mpandidy ianao e!)
Mpanapaka, mpandidy ianao e! (mpanapaka mpandidy ianao e!)

Tsisy an-kivilivily, na misotro na mamily
Tsisy an-kivilivily, na misotro na mamily
Izay vonona no mandeha, (ehhhhhhh) izay vonona no mandeha (ehhhh)
Madama sa ramose? (ehhhhhhhh) Ahoana ianao ramose? (ehhhh)
Kely sisa dia lasa izao e! (Kely sisa dia lasa izao)
Kely sisa dia lasa izao e! (Kely sisa dia lasa izao)
Amarino sao misy mamatotra anao e!
(Sao voafatotra ianao e!)
Amarino sao voafatotra ianao e!
(Sao voafatotra ianao e!)
Tsisy an-kivilivily na misotro na mamily
Tsisy an-kivilivily na misotro na mamily
Izay vonona no mandeha, (ehhhhhhhhh)
Izay vonona no mandeha, (ehhhhhhhhh)
Madama sa ramose? (ehhhh) Ahoana ianao ramose? (ehhhhh)
Sao tsy lasa any vao hoe:
LOZA BE! LOZA BE!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 943
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : fetramaharosoa
Daty : 17/06/2024 11:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3095