INJAY TOMPO ô! (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Injay Tompo ô ! Ilay feonao
Reko Ianao am-poko ao
Fa maniry mafy anie aho
Te-hiombona, hahalala Anao
(x2)

Mandrosoa Jesosy ô !
Tonga soa Ianao e !
Fa manerana ahy ny fanatrehanao
Maniry ny fo te-hitoeranao
Kasio aho Jesosy ô!
Fa manatena Anao e !
Fa farany izay ilaiko sy tiako ny eo anilanao


Tompo ô Ianao ilay Fahazavana
Avy aminao ny fahitana
Ny takalom-pitiavanao
No mirotsaka ao am-poko ao
(x2)

Mandrosoa Jesosy ô !
Tonga soa Ianao e !
Fa manerana ahy ny fanatrehanao
Maniry ny fo te-hitoeranao
Kasio aho Jesosy ô!
Fa manatena Anao e !
Fa farany izay ilaiko sy tiako ny eo anilanao

Te-hahalala ny Ray aho
Handray ny hosotry ny fanahy
Jesosy ô izarazarao aho
Izay mombamomba Anao
(x2)

Mandrosoa Jesosy ô !
Tonga soa Ianao e !
Fa manerana ahy ny fanatrehanao
Maniry ny fo te-hitoeranao
Kasio aho Jesosy ô!
Fa manatena Anao e !
Fa farany izay ilaiko sy tiako ny eo anilanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 24468
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : holyfenosoa
Daty : 13/01/2010 15:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739