Ento (Vatolampy) (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ENTO AHO
(Vatolampy)

Fa toy ny vao omaly, ny fanahy feno hery
finoana tsy resin-tohitra
Nahery sady falifaly, nahafindra tendrombohitra.

F’izao tsy hita izay atao, indro lavitra ahy
lavitra ahy ny tavanao
Dia lasa miady sy mitolona, toy ny babo antanin’olona

Mba Miantso vonjy Aminao aho, miantso voonjy lavitra ny ankany
Miantso voonjy Aminao aho, miantso vonjy lavitra,
toy ny any, amin ny faran’ny tany,

Mba ento aho, hamonjy ilay vatolampy,
Tsy tongan’ny fanahiko raha tsy ianao no manampy mitondra ahy
fa fiafenana tsy atakaloko, fonenan' fitahiana
Imason’ny fahavaloko no tanterahinao, ny fanirina

Oento aho, ento aho, ento aho
ento aho, ento any Aminao

Reko mamaivay ny fo mangetaheta
maniry mafy anao
Mihovitrovitra ny fanahy tefen’ny fanatrehanao.

Famindrampo sy fahasoavana, ianao velona ao anatiko ao
iriko hanaraka ahy
Ho Famantarana sy avana, ho akaikinao mandrakizay.

Amorony fo madio aho amorony, fo madio aho miangavy
Mba omeo fanahy vaovao aho ,omeo fanahy vaovao aho
fa ho avy aho , ho avy aho, dia hiady aho.

Mba oento aho, hamonjy ilay vatolampy,
Tsy tongan’ny fanahiko raha tsy ianao no manampy, mitondra ahy
fa fiafenana tsy atakaloko , fonenan’ny fitahiana
Imason’ny fahavaloko no tanterahinao, ny fanirina

oento aho
ento aho, ento aho,
ento aho!
ento any Aminao e
fa Vatolampy fiereko (ento aho)
Andriamanitra ekeko (ento aho)
Kiriaritra omeko, (ento aho)vatofantsikin’ny fanekeko (ento aho)
Oento aho (ento aho) oento aho (ento aho),
oento aho (ento aho) oento any Aminao
Ento aho
Ento aho
Ento aho
Oento any Aminao e

A/C: Rija RASOLONDRAIBE
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 609
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Donna santatra
Daty : 24/04/2023 07:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733