Antsoantso (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ireo efa nandà ny fanasana
Niantso azy ireo mba hiara-hikorana
Maro ireo efa nandre
Fa vitsy no nilaza hoe
Hamaly ny antsony io fa fifaliam-be.

Ref:
Tsy hiato hiantsoantso anie aho satria
Mamy loatra ho ahy ny miara-dia
Tsy dia hoe manan-kolazaina lava izao e
Fa mba faly aho raha ho any koa ianao.
Ianao mihintsy mantsy no nasainy
Ianao mihintsy no mba nantenainy
Koa raha mbola misy koa ny azo atao e
Tena faly aho raha ho any koa ianao.

...........

Mikatona ny vavahadin'ny lanitrao
Hanomboka amin'izay ny hasaramanitrao
Ireo nantsoina tsy namaly
Tavela ivelany hijaly
Fa fahoriana sy nenina no any.

Ref:
Tsy hiato hiantsoantso anie aho satria
Mamy loatra ho ahy ny miara-dia
Tsy dia hoe manan-kolazaina lava izao e
Fa mba faly aho raha ho any koa ianao.
Ianao mihintsy mantsy no nasainy
Ianao mihintsy no mba nantenainy
Koa raha mbola misy koa ny azo atao e
Tena faly aho raha ho any koa ianao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 2734
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 20/03/2018 20:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0775