You are here: home > Tononkira > Rebika

Rahoviana (Rebika)

Ditsoka ve izany maso
Fa tsy mahita izay hombana
Ka mahatsiaro tena very aho
Izay nokasaiko rehetra rava
F'ilay nantenaiko mba ho anjara
Toa nandositra tsy tana

Rahoviana indray vao hisy masoandro
Hitondra hazavana sy hafanana
Rahoviana ny hihiratra indray ireto masoko roa
Rahoviana e, sasatononkira.serasera.org-miandry aho
Rotika re izany fo
Fa nofinitak'ilay tiana
Nokasaiko mba ho anjara
Toa tsy ho zaka izany manjo
Fa zary tontolo feno fangirifiriana
Ka sento no mba manala

Be ny antenaiko izay hisolo anao
Izay tsaratsara kokoa noho ianao
Andriko izay ho anjarako handimby anao
Ho tonga izy, ho avy e
Miandry azy foana aho

Mpihira : Rebika
Mpamaky : 1514
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 14/11/2015 19:43:39
ID : 7893

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo