Ny any an-tanana (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia mamy aza ny any Tanana,
indrisy fa voatery ialana,
Dada sy neny mba fiantahantana,
Zoky sy zandry no atao fanalana,
Rasipakely ilay nahatamana, tsy hadino.
Tsy hadino nadia ela tsy hita ,tsy hadino,
Indray andro any mbola hifakahita,izaho mino.
Tsy hadinoana ny andro fiasana
Fasahirana amin'ny fanetsana
Ny hafaliana eo ampijinjana
Ny valin-tanana no mbola higagana
Ny rivotra any maha salama, tsy hadino,
Ny jiro dia tara-bolana mazàna ,indrisy!
Tsy misy azy mantsy ny Tanana ,tsy misy!
REF:
Ny amoropatana isak'ariva,
Fatratra ery tsy fahita aty
ny vero-manitra sy fofon'oliva
mbola fy!!
Ny ramanonak'ilay vao mafana
Matsiro ery ,tsy fahita aty
Ny hanikotrana aleo dia hialana ,
Mbola mamy.
Na dia maro aza ny faharavana,
Doro tanety ,rivo-doza tsy tana,
Manampy trotraka ny efa fahatrana ,
Tsy afa manoatra hono Rafanjakana
Mbola mahatoky anao ry tompo hivavahana ,mahatoky
Tsy tsaboana ny finoako handroso, atsy ho atsy,
Ny herin-tsaina sy ny voton'ny foko, hifampy.
Raha izaho no eo amin' ny fitondrana
Tsy maintsy ho avotra ianao ry tanana
Jiro sy rano aloha tsy hisalasalana
Ny lalantsika koa moa ara-dalana
Ny mponina amin'izay ho tamana, satria !!
Ho foanana avokoa ireo dahalo mpandroba
Haverintsika ihany koa ireo takalo ,ka hiova
ref:
Ny amoron-patana isaky ny hariva
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 736
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tynede
Daty : 18/06/2021 14:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734